Ny Miara-Manorina dia ambohipihaonan'ny Malagasy rehetra manerana an'izao tontolo izao, manana fahalalana sy fahendrena ary traikefa hozaraina, mba hoentina mampivoatra: ny isam-batan’olona sy ireo Soa Iombonana (miainga any amin'ny fianakaviana sy faritra tsirairay, ary tonga hatrany amin'ny Firenena).
Ny Olombelona no harena voalohany
Maro ny Malagasy manerana izao tontolo izao no manam-pahaizana sy mamiratra amin’ny sehatra misy azy tsirairay.
Ao ny Malagasy manana ny fahendrena izay nolovaina avy amin’ireo Ray aman-dreny tany aloha.
Ary indrindra indrindra, dia tombony ho an'i Madagasikara ny fananana ireo tanora izay mbola ao anatin’ny hery sady maro an’isa eto Madagasikara.
