Ireo tanjon'ny hetsika Miara Manorina

Hanainga ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra, na iza na iza, na aiza na aiza, hiara-hanorina indray ny tanindrazana iombonana.

Hitondra fomba fijery sy hevitra mifameno ary hanome vahaolana mahomby, fohy ezaka, ivon’ezaka sy lavitr’ezaka.

Hitrandraka, hamoha, hizara ary hivoy ireo toe-tsaina sy toe-panahy Malagasy tokony hananan’ny tsirairay.

Hametraka vina sy drafitra lavitr’ezaka ho an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.